Anjeva: Miditra amin’ny manasa-dalana ny “tournoi open” baolina kitra
Mitohy ny fifaninanana baolina kitra ao amin’ny kaominina Anjeva. Taorian’ny fiaterahana ny lalao am-pahefa-dalana dia amin’ny alahady izao no hanatanterahana ny lalao manasa-dalana amin’ny tournoi open, izay atao ao amin’ny kianja Salazana Anjeva.
“Ny tournoi open dia misokatra amin’ny rehetra. Anisan’ny hiatrika ny dingan’ny manasa-dalana ny FC Lion Tanà, izay hifandona amin’ny SEA Ambohimalaza. Hanomboka amin’ny 12ora atoandro ny lalao ataon’izy ireo. Aorian’izay kosa ny FC Salazana Anjeva hifandona amin’ny FCA Ampahamasina, hanomboka amin’ny roa or any lalao” hoy ny avy amin’ny mpikarakara.
“Hamafisana hatrany ny fanentanana ny rehetra ho tonga maro hanohana ny ekipa satria tahaka ireo lalao efa niseho, tsy handiso fanantenana ity open ity. Efa manomboka miakatra ny lentan’ireo mpilalao ka ireo mpanohana sisa no handrasana fa ho tsara avokoa ireo lalao” hoy hatrany ireo mpikaraka.
Coupe omby, maillots, ondry ary baolina moa no loka ho azon’ireo ekipa amin’ity fifaninana baoliona kitra ity.
Manitra R.
