ConseilTsidika

Institut ISS: Hanao valan-dresaka momba ny “Fintanana tetikasa”

Hanatanteraka valan-dresaka ny ivon-toeram-pampianarana ISS mandritra ity volana oktobra ity. Manomboka ny 16 oktobra ka hatramin’ny 31 oktabra 2023 no hanatanterahana izany. Maro ireo lohahevitra sy fifampizarana mandritra izany fotoana izany. Ny toerana dia ao amin’ny Institut ISS Tsiadana.

« Manasa anao hanatrika ny valan-dresaka mafonja izay ataonay. Ireo olona efa za-draharaha no hizara aminao ireo toro-hevitra sy torohay ahafahanao mampiroborobo sy manatsara ny fintanana tetikasa izay ataonao » hoy i Harinoro, mpikarakara.

« Amin’io fotoana io no handraisanao ireo torohevitra rehetra ilaina amin’ny fitantanana tetikasa. Ny fifanakalozana amin’ireo mpandraharaha efa manana ny toerany. Fampitomboana ireo fifandraizana ara-kasa. Hananao hevitra sy faniriana amin’ny alalan’ireo « success stories » amin’ny resaka fitantana » hoy hatrany ny mpikarakaraka.

Maro dia maro ny tombontsoa azonao amin’ny fanatrehana ity valan-dresaka ity. Manasa anao ny ISS ho tonga hiaraka hitafa sy hifanakalo hevitra aminy. Ny fisoratana anarana dia azo alaina amin’ny alalan’ny commevent@institut-iss.com na hiantso ny laharana 0 34 61 597 24 / 0 34 87 244 55. 

Laisser un commentaire