ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Handray ireo mpisitraka ny jiro mora ny tomponandraikitry ny Jirama manomboka anio

Handray ireo olona hisitraka ny jiro mora ao amin’ny kaominina Ambohimangakely ireo tomponandraikitra avy amin’ny Jirama, manomboka anio talata ka hatramin’ny rahampitso 04 Oktobra. Ireo efa nisoratra anarana sy nahafeno ny fepetra no antsoina hanantona ny biraon’ny kaominina amin’izany, araka ny voalaza.

“Tosika jiro mora ho an’ny olona sahirana ny branchement mora. Eo amin’ny 30.000ariary ny sarany aloha amin’izany isam-bolana. Tsy mihoatra ny 30 metatra miala amin’ny trano kosa ny andrin-jiro hitaritana azy” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

“Efa ela no niandrasana ny fisitrahana ity jiro mora ity. Maro amin’ny mponina no mila izany, hialana amin’ny fitarihana jiro amin’ny tokatrano hafa. Ny fampidirana jiro izay iaraha-mafantatra fa ela ary tsy takatry ny daholo be ny sarany ka hisaorana ny tomponandraikitra” hoy i Fanja, renim-pianakaviana.

Manomboka amin’ny 08ora maraina moa izany fotoana izany. Ao amin’ny biraon’ny kaominina no hanatanterahana izany ary ho an’ireo izany liana ka mahafeno ny fepetra dia afaka manantona eny an-toerana ihany koa, raha ny voalaza hatrany.

Manitra R.

Laisser un commentaire