Tsidika

Ambohimangakely : Hisitraka tetik’asa fampisakafoanana an-tsekoly ny EPP Ankadindambo

Hisitraka tetik’asa fampisakafoanana an-tsekoly (cantine scolaire) ny EPP Ankadidambo, ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Nisy ny fiaraha-mientana teo amin’ny sekoly sy ny fiaraha-monim-pirenena ary ny kaominina ho fampandehanana izany tetik’asa izany, araka ny voalaza.

« Tontosa tamin’ny herinandro teo ny fanokafana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sekoly sy ny fiaraha-monim-pirenena (SCORE) mitan-tsoroka amin’izany. Nandritra izany dia anisan’ny nitondra ny anjara biriky ihany koa ny fiadiadian’ny kaominina ho fanatanterahana ny asa izay atao » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Hisaorana ireo tomponandraikitra ny fanohanana sy ny fandraisana an-tanana ny fampandrosoana ny sekoly. Zava-dehibe tokoa izany, tsy ho an’ny sekoly ihany fa ho an’ny mpianatra indrindra indrindra, manosika azy ireo hilofo sy hazoto handeha an-tsekoly » hoy ny avy amin’ireo mpanabe.

Vola mitentina 2.000.000ariary moa no natolotry ny SCORE ho fanampiana ny EPP amin’izany. Ankoatra ny fampisakafoanana na-tsekoly dia hisy ihany koa ny famitana ny efitrano fiarana ao an-toerana.

Manitra R.

Laisser un commentaire