Alasora: Nozaraina fitaovana ireo mpanasa lamba tao amin’ny kaominina
Tonga nanolotra kit ho an’ireo mpanasa lamba ao amin’ny kaominina Alasora ny fikambanana AFF (Andry sy Fototra ho an’ny Fampandrosoana) tamin’ny faran’ny herinandro teo. Fitaovana toy ny koveta, seau, zinga izay tena ampiasain’ireo mpanasa lamba no nomena azy ireo nandritra izany.
“Tontosa soa aman-staara ny fanolorana ireo fitaovana ho an’ireo mpanasa lamba teto amin’ny kaominina Alasora. Mpanasa lamba maro avy amin’ireo fokontany Alasora, Amboaroy ary Ambatomalaza no nisitraka izany” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny fikambanana.
“Hisaorana ny avy amin’ny fikambanana nanolotra izao fitaovana izao fa tena faly tokoa izahay nandray izany. Ahafahana manatsara ny asa izay sahanina izao ary tena manohana tokoa” hoy i Collette, mpanasa lamba.
Ankoatra ireo fitaovana fanasana lamba moa dia mbola nozarain’ny fikambanana masomboly sy fitaovam-panadiovana ihany koa ireo mpamboly tao an-toerana.
Manitra R.
