SportTatitra

Afrique : Namoaka ny daty hanatanterahana ny fiadiana izay ho tompon-daka

Namoaka fanambarana mahakasika ny lalao hiadiana izay ho tompon-dakan’ny Afrika ny tompon’andraikitra misahana ny taraja baolina kitra na ny Confédération Africaine du Football (CAF). Ny alakamisy 31 martsa 2021 lasa teo izy ireo no nilaza ny fizotran’ny lalao. Hotontosaina amin’ny 9 Janoary ka hatramin’ny 6 Febroary 2022 any Cameroun izany lalao izany. Hotontosaina ny volana 25 jona 2021 izao kosa ny firafitr’ireo vondrona enina hilalao amin’izany. Efa maro ireo ekipa tafakatra amin’izany lalao hiadiana amin’izay ho tompon-daka izany.

Laisser un commentaire