Irak : « Hacker » iray no nandefa horonantsary mamoafady tamin’ny efijery dokam-barotra tao afovoan-tanàn’i Bagdad
Talanjona tamin’ny horonantsary mamoafady nandeha teo amin’ny efijery dokam-barotra tao Uqba ben Nafia ao Bagdad ny mponina ny faran’ny herinandro teo. Raha ny fanazavana dia nisy nanao « piratage » io efijery io ary naharitra minitra maromaro ny fandehanan’ilay horonantsary.
Mba nahafahana nanatsahatra izany horonantsary izany dia voatery nanapaka ny taribin’herinaratra ireo tompon’andraikitra. Efa eo am-pelantanan’ny manam-pahefana kosa io « hacker » io raha ny voalazan’ny minisiteran’ny atitany tao Irak. Tsy nanome fanazavana manoloana ny mombamomba azy na ny antony manosika azy nanao io fihetsika io nefa ireto farany.
Manoloana ny tranga kosa dia novonoina avokoa ireo efijery dokam-barotra tao Bagdad.
