Maurice : Dr Drishtysingh Ramdenee, sekretera jeneraly vaovaon’ny antenimieran’ny varotra sy indostria
Ny Dr Drishtysingh Ramdenee no voatendry ho sekretera jeneraly vaovaon’ny antenimieran’ny varotra sy indostria ao amin’ny nosy Maurice. Efa natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny 17 aogositra teo tao amin’ny Suites by the Docks ny tenany, izay natrehin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny miankina sy tsy miankina amin’io antenimiera io.
Nandritra ny fandraisam-pitenena nataony dia nanindry ny andraikitry ny antenimieran’ny varotra sy indostria amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ny Dr Drishtysingh Ramdenee. Nilaza ny tenany fa io andrim-panjakana dia toy ny vavahady ho an’ny orinasa eo an-toerana mankany amin’ny tontolo ara-toekarena vaovao ary mampiroborobo ny fifanakalozana iraisam-pirenena sy ny fiaraha-miasa stratejika.
