Alasora : Ho tanterahana amin’ny zoma ny fizarana Solon-kopia
Ny zoma 25 Aogositra, ho avy io no hanatanterahana ny fizarana ny solon-kopia ao amin’ny kianja Maitso, kaominina Alasora. Ireo ray amandreny nanatanteraka ny fitsarana kopia faobe, ny volana jolay teo no voakasik’izany fizarana izany, araka ny voalaza.
“Taorian’ny fitsarana kopia faobe izay notanterahana ny 14 jolay 2023, dia hilazana ireo ray amandreny manan-janaka nandalo fitsarana tamin’izany fa ny fizarana ny solon-kopia dia ho atao ny zoma maraina izao. Zava-dehibe ny fahatongavana amin’io fotoana io ka hanentanana ny ray aman-dreny hifampilaza izany” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Zo fototra tokony ho sitrahan’ny zaza ny kopia. Aorian’ny fiterahana dia manana adidy ireo ray niteraka hanao izany eny amin’ny kaominina. Maro anefa ireo ireo tsy mahefa izany ka mahatonga ny zaza maro tsy manana kopia kanefa anisan’ny taratasy manan-danja amin’ny maha olona azy ny kopia. Hisaorana ny kaominina mikarakaraka hetsika tahaka izao ahafahafan’ny zaza misitraka ny zony” hoy i Ando, mpianatra ho mpitsara.
Dingana iray manaraka ny fitsarana ny fizarana ny kopia faobe. Anjara andraikitr’ireo ray aman-dreny niteraka ihany koa no manatanteraka izany hatramin’ny farany, hisitrahan’ireo zaza ny kopia. Manomboka amin’ny 08ora maraina moa no hanatanterahana ity fizarana ny solon-kopia ity.
Manitra R.
