ActualitésTatitra

Cambodge : Nahitana fitaovana mipoaka 2 000 isa tao amin’ny sekoly iray

Taorian’ny ady an-trano nandritra ny telopolo taona, daroka baomba mahery vaika ary fandripahana olona nataon’ny « Khmers rouges » tany amin’ny taona 1970 dia mbola mijanona ho isan’ireo firenena feno vanja milevina indrindra eran-tany i Cambodge. Fotoana vitsy izao no nahitana fitaovana mipoaka (munitions explosives) 2 000 isa tao amin’ny sekoly iray tao amin’ny faritanin’i Kratie. Raha ny tatitra dia grenady M79 ny 1 000 mahery tamin’izany.

Teo am-panatanterahana ny asa fanitarana ny zaridainan’ny sekoly nahitana ireo fitaovana mampididoza ireo raha ny fanamafisana. Manoloana ny tranga dia nakatona vonjimaika ny sekoly ary manohy ny fikarohana ireo tompon’andraikitra. Nanamafy ny tale jeneralin’ny foiben’ny ady amin’ny vanja milevina, Heng Ratana fa mety mbola maro ny toerana tsy voafaritra ahitana ireo fitaovana ireo ao an-toerana ka ilaina ny mailo hatrany.

Laisser un commentaire