ActualitésSocialTsidika

Ankadikely Ilafy : Toerana roa no nanatanterahana ny fête foraine ho an’ny herinandro faharoa

Ny zoma teo no nanombohan’ny hetsika “fête foraine special vacances” ho an’ny herinandro faharoa nanatontosana izany, tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Toerana roa no nanatanterahana ny hetsika, dia ny fokontany Mandrosoa sy ny fokontany Manazary sy ny manodidina, araka ny voalaza.

“Toerana roa no nanatanterahina ny fête foraine special vacances tamin’ity herinandro faharoa ity dia ny teto amin’ny Fokontany Mandrosoa ny tapany maraina izay hiraisan’ireo Fokontany telo hafa Manazary, Ambohibe, Masinandriana ; sy ny teo amin’ny Fokontany Ambohipanja ny folakandro. Ankoatry ny kilalao ahafantarana ny hetsika toy izao dia nisy ihany koa ny varotra fampiratiana ny asa tànana sy talenta ary ny vokatry ny tany amin’ireo fokontany ireo, nisy ihany koa ny fampafantarana fohy ny tantaran’ny fokontany” hoy ny avy amin’ny tomponandraikitra mpikarakara ny hetsika.

“Faly ireo ankizy afaka niala voly sy nanara-po nandritra ny fankalazana ny fety teto an-toerana. Hisaorana ny tomponandraikitra nikarakara sy nanome sehatra ny sehatra. Anisan’ny nanome fialam-boly, tsy ho an’ny ankizy ihany fa ny lehibe ihany koa dia nahazo ny anjarany tamin’ity fialantsasatra ity” hoy i Mbolatiana, mponina ao Ankadikely Ilafy.

Tonga nifanome voninahitra nandritra izany hetsika izany moa ireo tomponandraikitry ny kaominina sy ireo sefo fokontany 18 ao an-toerana. Tsiahivina fa telo andro isaky ny fokontany no hankalazana ity hetsika ity ary hitohy amin’ny fokontany hafa izany amin’ity herinandro ity.

Manitra R.

Laisser un commentaire