ActualitésTatitra

Brésil : Zazavavy kely 5 taona no lavon’ny « balle perdue »

Raikitra ny fifanenjehana teo amin’ireo polisy sy jiolahy tao Morro do Dendê, akaikin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tao Rio de Janeiro ny faran’ny herinandro teo. Raha ny fanazavana dia nihezaka nisambotra lehilahy roa nandeha kodiaran-droa ireo manam-pahefana ary raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta.

Manoloana izany dia lavo ny iray tamin’ireo jiolahy izay tovolahy 17 taona monja antsoina hoe Wendel Eduardo. Niteraka fihetsiketsehana goavana nefa ny fahafatesan’ireo tovolahy io ka voatery nirotsaka an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana. Nandritra izany dia tsy maintsy nitifitra izy ireo saingy tafiditra tao amin’ny tokantrano iray ilay bala ka nahafaty zazavavy kely 5 taona, mbola teo am-pilalaovana.

Mbola fantatra hatreto ilay nitifitra saingy efa mitohy ny fanadihadiana. Raha ny tatitra dia zaza faha-15 latsaky ny 15 taona maty ny « balle perdue » tao Rio nanomboka ny fiandohan’ny taona 2022 io zazavavy io.

Laisser un commentaire