ActualitésTatitra

La Réunion : Mitohy ny fetin’ny lavanila

Nisokatra omaly 9 aogositra ny andiany faha-10 ny fetin’ny lavanila ao amin’ny nosy La Réunion ary tsy hifarana raha tsy ny 13 aogositra. Diabe niaraka tamin’ny « Ti Gadiamb » no nanokafana ny hetsika izay atao ao Saint-Suzanne. Nisy ihany koa ny fananterana fehezam-boninkazo ho an’i Edmond Albius izay nahita ny dingan’ny « fécondation de l’orchidée ».

Misokatra ho an’ny daholobe io hetsika saingy ho an’ny androany dia hisy ny fanentanana manokana ho an’ireo nahazo taona na « 3ème jeunesse ». Ho an’ny rahampitso kosa dia andro « interprofessionnelle ». Mandritra ny hetsika kosa dia misy ny fampisehoana samihafa ary ny andron’ny 12 sy 13 aogositra dia hisy ny fanehoana dihy nentim-paharazan’i Tahiti sy Mayotte.

Laisser un commentaire