Chine : Mitohy ny fikarohana ireo olona mbola tsy hita
Nisedra orambe manan-tantara izay niteraka tondra-drano sy fihotsahan’ny tany goavana i Pékin sy ny manodidina azy. Raha ny tatitry ny manam-pahefana omaly 9 aogositra dia 33 farafahakeliny no namoy ny ainy tao an-drenivohitra nandritra izany andro ratsy izany. Olona am-polony kosa no voalaza fa mbola tsy hita.
Ho an’ny faritany manodidina an’i Hebei kosa dia manodidina ny 15 no namoy ny ainy raha 22 kosa no mbola tsy hita hoy ny tompon’andraikitra. Faritra avaratry ny firenena maro ihany koa no voakasik’io loza voajanahary io raha ny fanamafisana.
Manoloana ny tranga kosa dia nitondra teny fampihononana ho an’ny fianakaviana ny ben’ny tanàna lefitr’i Pékin, Xia Linmao. Mitohy hoy izy ny fikarohana ireo olona mbola tsy hita.
