ActualitésSocialTsidika

Akamasoa: Miezaka manao hetsika maimaim-poana ireo mpianatra maintimolaly

Miezaka manao hetsika maimaim-poana ireo mpianatra teo aloha, avy amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra Maintimolaly tao amin’ny Akamasoa, eny Andralanitra. Nanomboka ny 06 aogositra teo ny hetsika didim-poitra faobe maimaim-poana nataon’izy ireo, araka ny voalaza.

“Ny tanjon’ny fikambanana dia ny hamaly babena an’i mon père Pedro sy ireo zandry aty aorina. Ka amin’ny alalan’ny hetsika maimaim-poana no hanehoan’ny fikambanana izany, araka izay tratra. Tsy voatery ny eto anivon’ny Akamasoa ihany no hanaovana izany hetsika izany, fa hihitatra mankany amin’ny kaominina Ambohimangakely ihany koa” hoy ireo avy amin’ny fikambanan’ny mpianatra Maintimolaly.

“Hisaorana ny fikambanana amin’ny hetsika fanampiana izay hatolotr’izy ireo satria tena nanampy be an’ny mponina. Efa iaraha-mahalala ny fahasahiranana amin’izao fotoana ary lafo ny sarany fanatanterahana izany hasoavan-jaza izany, kanefa amin’izao mana-tombony izahay noho ny ezaka nataon’ny fikambanana” hoy i Elysé, raim-pianakaviana.

Marihina moa fa amin’ireo mpikambana ao anatin’ny fikambanan’ny mpianatra Maintimolaly ato amin’ny Akamasoa ireo dia misy ireo miasa ivelan’ny Akamasoa ary misy ihany koa ireo miasa ao amin’ny foibeny.

Manitra R.

Laisser un commentaire