ActualitésSocialTsidika

Ambohimangakely: Efa nihoatra ny 18ora ny fahatapahan-jiro

 Velon-taraina ireo mponina ao amin’ny kaominina Ambohimangakely manoloana ny olan’ny fahatapahan-jiro. Nanomboka ny talata tolak’andro, efa nihoatra ny 18ora ny fahatapahan-jiro tamin’ny faritra maro tao an-toerana, izay tsy nisy fampilazana na fampiomanana mialoha ny mponina, araka ny voalaza.

“Tena efa tsy rariny ilay zava-misy ataon’ny jirama. Simba avokoa ny entana rehetra vokatry ny tsy fisian’ny herinaratra, miditra faty antoka izahay miasa tena. Tsy mba nisy ny fialan-tsiny na ny fampahanfantarana mialoha nataon’ny tomponandraikitra fa dia miafy sy miandry ny rariny hatrany ny mponina” hoy i Julie, tompona tsenam-barotra.

“Ny angatahana amin’ny tomponandraikitra ny fanajana ny mpanjifa, mijaly loatra ny mponina, miaina anaty haizina kanefa ny tsy fandriam-pahalemana efa mamely ihany koa. Mila fandraisana fepetra matotra sy mahomby satria lasa ankilabao hatrany ny fiainan’ny vahoaka, mizaka ny tsy rariny isanandro kanefa ny fiainana efa sarotra” hoy i Holy, mponina ao Ambohimangakely.

Hatramin’izay, nisy hatrany ny fampiomanana sy fampilazana mialoha ataon’ny tomponandraikitry ny jirama mialohan’ny fahatapahan-jiro ary voafaritra ny antony ny fanapahana izany. Tsy nisy kosa izany ho an’ity indray mitoraka ity tao Ambohimangakely ka nampitaraina ny mponina.

Manitra R.

Laisser un commentaire