ActualitésSocialTsidika

Sabotsy Namehana: Tondra-drano ny arabe nandritra ilay oram-be farany teo

Tondraka ny rano tao amin’ny araben’ny Sabotsy Namehana ny talata teo, nandritra ny fisian’ny oram-baratra saika nanenarana ny faritra Analamana iny. Naneho hevitra ireo mponina ao an-toerana manoloana izany satria tsy mbola ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra dia dibo-drano ny arabe.

“Tsy mbola fotoam-pahavaratra akory fa vao orana, azo lazaina fa manasasa-taona no niseho dia tahaka izao sahady ny rano be eto aminy faritra Sabotsy Namehana. Raha tsy misy ny fandraisana andraikitra mialoha ataon’ny tomponandraikitra na fanentanana ny rehetra amin’ny fikajiana ny fako dia olan goavana no hiainana amin’ny fotoam-pahavaratra” hoy i Onja, mpamilt taxibe.

“Ny fahatsetsenan’ny lakan-drano fivoahan’ny rano matetika no olana mahatonga ny rano be tahaka izao. Izany fahatsetsenana izany moa dia vokatry ny fako ka izany no tokony himasoan’ny tomponandraikitra, ny fanalana ny fako sy ny fikajiana izany hisorohana ny olana samy hafa” hoy i Miora, mponina ao Sabotsy Namehana.

Antony maro no mety mahatonga ny rano be tahaka izao. Tsy ny ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana ihany, fa maro ireo faritra ao an-drenivohitra sy ny manodidina no dibo-drano rehefa fotoanan’ny orana. Iza no tomponandraikitra voalohany tokony handray fepetra manoloana izany?

Manitra R.

Laisser un commentaire