ActualitésSocialTsidika

Ankadikely Ilafy : Hisy ny hetsika didim-poitra faobe 2023

Hisy indray ny hetsika didim-poitra faobe ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Ny sabotsy 19 aogositra izao no hanatanterahana izany, izay fiaraha-miasa iarahan’ny kaominina sy ny Polyclinique d’Ilafy, araka ny voalaza.

“Antsoina avokoa ireo ray amandreny manana zazalahy na ireo liana amin’ny hetsika ho tonga hisoratra anarana sahady ety amin’ny biraon’ny kaominina satria voafetra ny toerana amin’izany hetsika izany” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Zava-dehibe ho an’ny mponina hatrany ny hetsika tahaka izao. Izany ihany koa dia anisan’ny tanjon’ny kaominina ny hamaly ny hetahetan’ny mponina, hitondra fanampiana azy ireo amin’ny alalan’ny fanaovana hetsika tahaka izao satria efa iaraha-mahalala ny fahasahiranana ka miezaka hatrany ny tomponandraikitra mitondra fanampiana ho azy ireo” hoy hatrany ny fanazavana.

Hetsika efa fanaon’ny kaominina ary efa mahazatra moa ny hetsika famorana faobe tahaka izao. Marihina fa mpitsabo efa za-draharaha ary manampahaizana amin’izany no miara-miasa amin’ny kaominina amin’ny fanatanterahana izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire