Venezuela : Sosokevitr’i Nicolas Maduro, hatakalo solika ny vaksiny.
Nanipy soso-kevitra ny hanakalozana ny vaksiny ho solika ny filoham-pirenena venezueliana, Nicolas Maduro, ny alahady 28 martsa. Miatrika ny onja faharoa amin’ny valanaretina coronavirus i Venezuela amin’izao fotoana. Mbola misazy ara-ekonomika ihany koa anefa ny firenena ary voakasik’izany indrindra ny sehatry ny solika. Misy ireo firenena vonona hividy solika ao an-toerana hoy ny filoha Maduro ary tsy angatahanay vola izany fa kosa mila vaksiny fanefitry ny coronavirus izahay ho takalony. Io no vontoatin’ny resaka nataony nandritra ny fandalovany tao amin’ny fahitalavim-panjakana ao Venezuela. Efa nanomboka ny fanaovam-baksiny ireo mponina ao aminy i Venezuela ny volana febroary lasa teo. Ny vaksiny rosiana Spoutnik V sy sinoa Sinopharm no efa nampiasaina tamin’izany. Mbola misy levim-patra 60 000 avy any Cuba ihany koa andrasan’izy ireo. Tsy mangataka amin’iza na amin’iza i Venezuela hoy ny filoha Maduro fa raisin’izy ireo antanan-droa kosa raha manaiky hanakalo vaksiny ho solika ny firenena iray.
