France : Papasosy iray niharan’ny herisetra sy norobain’ny vehivavy roa
Lehilahy iray 48 taona monina ao Nanterre no nifanerasera tamin’ny tovovavy tao amin’ilay tambajotra « Sugardaddy » izay natao indrindra hifaneraseran’ny lehilahy lehibe amin’ny zatovovavy. Rehefa nifanaraka tsara ny roa tonta dia nasain’ilay lehilahy nakao an-tranony ilay tovovavy nifampiresaka taminy. Nanontany ilay lehilahy kosa ilay tovovavy raha afaka mitondra namana ary nanaiky avy hatrany moa ity papasosy.
Nizotra tamin’ny antsakany sy andavany ny fihaonana saingy manodidina ny misasak’alina dia nivoaka kely ireo vehivavy roa ary niverina niditra niaraka tamin’ny lehilahy nisaron-tava telo. Nafatotr’izy ireo ary nodarohin’izy ireo ilay papasosy. Norobain’izy ireo ihany koa ny entan’ilay lehilahy toy ny firavaka, fitaovana elektronikan, vola hatramin’ny fiarany Audi A5.
