Alasora: Manatanteraka fisafoana isan’alina ireo polisy hanamafisana ny “couvre feu” ao an-toerana
Nisy ny fandraràna ny fivezivezena amin’ny alina izay napetraky ny kaominina mba ho fiarovana ny vahoaka manoloana ny tsy fandriam-pahalemana misy ao an-toerana. Etsy ankilan’izany, manatanteraka fisafoana isan’alina ihany koa ireo mpitandro filaminana avy amin’ny kaomisarian’ny polisy ao Alasora, ho fanamafisana ny fanajana izany “couvre feu” izany, araka ny voalaza.
“Ho fanamafisana ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary fitandrovana ny filaminana ary ho fanajana ny « Couvre feu » izay napetraka eto anivon´ny kaominina dia manantanteraka fidinana ifotony amin´alalan´ny patrouille pédèstre ny polisy avy eto an-toerana” hoy ny avy amin’ny kaomisaria Alasora.
“Tokony ezahana ny fanaovana ny fisafoana isan’andro satria ny loza tsy mampilaza. Matetika ary zava-misy hita dia taraiky ny fandraisana fepetra eto. Aorian’ny fisian’ny loza izay vao mihetsika avokoa ny tomponandraikitra kanefa ny mponina efa miaina anaty tsy fandriam-pahalemana hatrany isan’andro” hoy i Tolotra, mponina ao Alasora.
Manoloana ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana, ilaina hatrany ny fiaraha-mientana sy ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana. Ny kaomisaria Alasora moa dia azo antsoina amin’ny laharan-tariby 0340553108 raha misy ny tranga hafahafa eny amin’ny fiaraha-monina eny.
Manitra R.
