Maurice : 1 200 tapitrisa Rs no natolotry ny fanjakana ho amin’ny CSG Child Allowance
Vola 1 200 tapitrisa Rs no natolotry ny fanjakana ho amin’ny CSG Child Allowance sy ny Independence Allowance raha ny tatitry ny praiminisitra, Pravind Jugnauth. Efa tontosa ny 31 jolay teo ny fandoavana ny ampahan’izany izay nitentina 400 tapitrisa Rs raha ny fanamafisany nandritra ny lahateny nataony tao Port-Louis.
Notontosaina tao Sir Harilal Vaghjee Hall tao Port-Louis ny fanolorana izany vola izany izay natrehan’ny praiminisitra, ny minisitry ny fitantanam-bola, Renganaden Padayachy ary i Sudhamo Lal, tale jeneralin’ny MRA (Mauritius Revenue Authority). Marihana fa tafiditra ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2023/2024 io vola natolotra io.
Raha tsiahivina dia (allocation ) vola harotsaky ny fanjakana ho an’ny zaza latsaky ny telo taona isam-bolana ny CSG Child Allowance ary ho an’ireo feno 18 taona kosa ny Independence Allowance.
