Fifidianana 2023 : Nampahatsiahy ny tokony hanajana ny lalana mandritry ny fifidianana i Marc Ravalomanana
Taorian’ny fanambarana ofisialy ny daty hanataterahana ny fifidianana dia nanao fanambarana mikasika ny fanajana ny lalana mifehy ny fifidianana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Ny tenany izay efa nanambara fa ho isan’ireo kandida hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena.
« Mangataka izahay mba ho hajaina ny lalana velona eto Madagasikara sy ny zon’ireo mpisehatra tsirairay mandritry ny fifidianana. Ny governemanata no tokony ho fitaratra amin’izany. Ny Praiministra lehiben’ny Governemanta dia mila manome toromarika mazava sy entitra ho an’ireo olom-panjakana sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ho fampanjakana ny tsy fiandaniana ary koa hisorohana ny fanararaotam-pahefana » hoy ny tenany.
Ankoatra ny tenany, dia tonga nanatitra tolo-dalàna teny amin’ny Antenimierampirenena ihany koa ny solontenan’ny antoko Arema. Tolo-dalàna izay entina hanatsarana ny fifidianana sy tsy hisian’ny fangalaram-bato mandritra ny fifidianana izay ho tanterahina eto Madagasikara.
Vovonana pôlitika sy fikambanana maro ankehitriny no efa miresaka sy mangataka ny hisian’ny fifidianana mangarahara sy ara-demokratika eto Madagasikara. Ao ihany koa ireo fikambanana sy antoko pôlitika no manao fangatahana ny hanatanterahana ny fifidianana anaty filaminana sy firaisan-kina ho fisorohana ny ady an-trano eo amin’ny samy Malagasy.
Miranto Andrih
