Soavinandriana Itasy : Nisitraka fiofanana mahakasika ny tazomoka ireo mpitsabo avy amin’ny CH Soavinandriana sy ny avy amin’ny hopitaly miaramila
Mpiasan’ny fahasalamana maromaro avy amin’ny hopitalin’i Soavinandriana sy ny hopitaly miaramila any an-toerana no nisitraka fiofanana ny amin’ny fandraisan-tanana ireo mararan’ny tazomoka.
Nanambara ny tompon’andraikitry ny fahasalamana fa miakatra ny tahan’ireo mararin’ny tazomoka ahitana fahasarotana amin’izao vanim-potoana izao. « Ahita fitomboany indray ireo marary misy fahasarota,ny amin’izao. Ka azo lmazaina ho tsara fitontona iny fiofanana iny satria ilain’ny marary izy ireo.” Hoy ny tompon’andraikitra nampiofana.
“Na dia efa an-taonany maro azan y nioasana sy nitsaboana ny tazomoka dia ilaina hatrany ny manavao sy manampy ny fahaizana mba hanomezana fitsaboana haingana sy mahomùby ireo marary.” Hoy ny mpitsabo niofana
Ho an’i Madagasikara dia efa taona maro no nanaovana ady amin’ny tazomoka fa mbola tsy fongana izy ankehitriny. Na izany anefa dia nanambara ny mpisehatra amin’ny fahasalamana fa efa mihatsara ny fitsaboana ny tazomoka eto amintsika.
Miranto Andrih
