Jiro Mora Malaky : Efa mahatratra 1061 isa ireo misitraka azy eto Antananarivo
Jiro Mora Malaky , ilay tetikasa iarahan’ny Ministeran ‘ny Angovo sy Akoran’afo sy ny orinasa JIRAMA, ny Banky Iraisam-pirenena, ary ny AMO (Assistance à Maitrise d’Ouvrage). Ity tetikasa ity dia natao ampidirana herinaratra amin’ny sarany mora kokoa ho an’ny tokantrano Malagasy.
Araka ny tatitry ny tompon’andraikitra avy amin’ny JIRAMA dia mitotaly 1061 fampidiran-jiro vaovao no vita ho an’Antananarivo amin’izao fotoana izao. “Tanjona manaraka ny hanatrarana tokantrano miisa 5.000. Hahatratra 105.000 izany ho an’ Antananarivo, ary 300.000 manerana an’i Madagasikara hatramin’ny faran’ny taona.” Hoy ny avy amin’ny tomponandraikitry ny JIRAMA
« Natao hitsinjovana ny Malagasy rehetra ity tetikasa Jiro Mora ity mba ahafan’ny rehetra misitraka ny herinatra vokarin’ny JIRAMA amin’ny vidiny zakan’ny rehetra. Tsy mijanona ny tetikasa raha tsy tratra ny isa izay napetraka tany am-piandohana. » Hoy ny avy amin’ny Ministeran’ny angovo”.
Arak’io salan’isa io dia hita ho mavitrika ireo tokantrano amin’ny fampidirana ny Jiro Mora izay atolotry ny JIRAMA. “Nanararaotra ity Jiro Mora ity mihitsy mba hampiditra jiro fa efa ela no nikasa fa tsy takatra ilay sarany teo aloha. Izahay sy ny ankohonako rahateo tsy mampiasa zavatra mavesatra loatra ka mety aminay ity tolotra ity.” Hoy i Lalaina, renim-pianakaviana.
Mbola mitohy noho izany ny fandraisana ireo izay maniry ny hisitraka jiro mora araka io tatitra avy amin’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny tetikasa Jiro Mora Malaky io.
Miranto Andrih
