ActualitésTatitra

Comores : Nanamafy ny fiaraha-miasany amin’i Rwanda ny nosy

Nanao sonia fifanarahana izay hanamafy ny fiaraha-miasany eo amin’ny sehatry ny fitantanana tsara, ny fanentanana ny diaspora, ny fiarovana ara-tsosialy ary ny vahaolana nomerika ny Rwanda Cooperation sy ny ACCI (Agence de coopération internationale des Comores) ny herinandro lasa teo.

Io fifanarahana io manokatra lalana vaovao amin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta, mandrisika ny fanavaozana, ny fifanakalozam-pahalalana ary ny firoboroboana amin’ny alàlan’ny fanararaotana ny fitoviana sy ny fitrandrahana izany raha ny fanazavan’ny ambasadora Christine Nkulikiyinka, talen’ny Rwanda Cooperation.

Manoloana izany dia hisy ny lafin-javatra maro iarahan’i Comores sy Rwanda miasa. Ao anatin’izany ny fampivoarana sy fanofanana, ny fanomezan-danja ny vehivavy sy ny tanora, ny diaspora, ny vahaolana nomerika ary ny fitantanana tsara raha ny fanamafisany.

Laisser un commentaire