Arabie Saoudite : Nisintona ny firotsahany hampiatrano ny fiadiana ho tompondaka eran-tany ny baolina kitra ny firenena
Niantso an’i Grèce sy i Egypte ny minisitry ny raharaham-bahiny ao Arabie Saoudite, Faisal bin Farhan Al Saud fa tsy hiara hiombon’antoka ami’izy ireo amin’ny fikarakarana ny fiadiana ho tompondaka eran-tany ny baolina kitra amin’ny taona 2023 indray.
Raha ny fanazavana dia anton’io fanapahan-kevitra io ny vahana azon’i Espagne – Portugal – Maroc izay hiara hiasa amin’ny fampiantranoana ny lalao ihany koa. Efa mizotra tsara ny fangatahan’izy ireo ka heverina fa izy ireo no hampiantrano ny lalao. Raha tsiahivina dia isany firenena mirotsaka amin’izany fampiantranoana ny lalao izany ihany koa i Argentine, Uruguay, Chili ary Paraguay izay hiara hiasa.
Nilaza kosa ny tompon’andraikitra tao Arabie Saoudite fa tsy midika hoe tsy maniry ny hampiantrano ny lalao izy ireo fa fa hiandry ny efa-taona manaraka aorian’ny lalao amin’ny taona 2023 indray. Maro kosa nefa ireo mpandinika nilaza fa mety azon’ny firenena ihany ny fampiantranoana ny lalao na noho ireo milalao sangany nanao sonia tao aminy fotsiny aza. Isan’izany i Cristiano Ronaldo, Karim Benzema ary N’Golo Kanté.
