Sabotsy Namehana: Notolorana fanampiana ireo tantsaha simba fambolena tamin’ny fandalovan’ny avandra
Notolorana fanampiana ireo tantsaha, ao amin’ny fokontany Ambatofotsy, kaominina Sabotsy Namehana, izay niharan’ny fahavoazana vokatry ny fandalovan’ny loza voajanahary teto amin’ny faritra Antananarivo, ny faran’ny volana may lasa teo. Ny filohan’ny antenimieran-doholona no nisolo tena ny filoham-pirenena, nanolotra izany tao an-toerana, araka ny voalaza.
« Ho an’ny andron’ny 14 jona, dia ireo tantsaha avy ao amin’ny fokontany Ambatofotsy no nisitraka ny fanampian. Izany ihany koa no natao dia mba ho fampaherezana sy fanohanana ireo tantsaha manoloana ny fahapotehana teo amin’ny fambolena, izay fiveloman’izy ireo » hoy ny filohan’ny antenimierandoholona.
« Vary milanja 625kilao, vonemba 250 kilao, vatsy tsinjo 50 isa ary lafarinina 100 kilao moa no nozaraina ho an’ny toka-trano marefo miisa 50. Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny fizarana masomboly sy zezika » hoy hatrany ny fanazavana.
Fotoan-tsarotra ho an’ny mponina tokoa ny vokatry ny fisian’ny loza voajanahary. Anisan’ny miteraka faty antoka ho azy ireo izany. Ny fifanomezan-tanana tahaka izao kosa anefa no hery ho azy ireo ahafahany manatsara indray ny sehatra fivelomany.
Manitra R.
