Autriche : Olona telo no hita faty tao anaty trano iray tany afovoan’ny ala
Lehilahy iray no tsy hita efa ho andro vitsivitsy tao Autriche. Raha ny fanazavana dia mpampianatra io lehilahy io, ary ny toeram-piasany no nanao ny fanairana rehefa tsy tonga niasa izy nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo. Manoloana ny tranga dia nisokatra ny fanadihadiana ary natao ny fikarohana.
Nandeha tao amin’ny trano iray tao afovoan’ny ala tao amin’ny distrikan’i Murau ireo polisy ary rehefa nosokafana ny varavarana dia lehilahy niaraka tamin’ny vehivavy roa no hita faty tao. Hatreto dia mbola tsy fantatra ny mombamomban’ireo razana hita ireo saingy heverina fa ilay mpampianatra, ny olo-tiany taloha ary vehivavy mpiala sasatra avy ao Allemange izany.
Voatifitry ny basy avokoa ireo olona telo ireo raha ny tatitra, saingy mbola tsy mazava ny mety ho antony sy nanomboka ny fitifirana. Mbola manjavozavo ny raharaha ary manohy ny fanadihadiana ireo manam-pahefana.
