Dépêches

Varotra: Manamafy ny fanentanana amin’ny fanjifana ny vokatra eto an-toerana ny SIM

Dépêche 12 juin, 13h, Manatanteraka fanentanana manerana ny tanànan’Antananarivo ny avy eo anivon’ny Syndicat des Industries de Madagascar. Ny tanjona amin’izany dia hampitomboana ny fanjifana ny vokatra vokarian eto an-toerana na ny Vita Malagasy izany. Sady manome fahazotoana no manampy ireo mpamokatra izany ka hampitombo ny harikarena manerana ny Nosy. Tsy misy mahasamihafa azy amin’ny vokatra hafarana ireo vokatra vita Malagasy ireo ka tsy tokony hampanahy ny fanjifana izany. Mbola manana tombony kokoa noho ny avy any ivelany aza ny Malagasy manjifa izany.

Laisser un commentaire