ActualitésConseilTsidika

Torohevitra: Azo tsaboina amin’ny fomba tsotra ny vakivaky amin’ny tongotra sy tanana

Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika amin’izao fotoana izao. Maro ireo misedra olana eo amin’ny fikoloana ny hoditra amin’izay, tratran’ny vakivaky sy makiana vokatry ny hatsiaka izay. Azo tsaboina amin’ny fomba tsotra sy natoraly anefa izany ary misy ny paipaika afaka karakaraina ao an-trano hitsaboana azy.

Azo ampiasaina hanalana ny vakivaky amin’ny faritry ny vatana avokoa na ny nofon’akondro, na ny glycérina sy ny eau de rose na ny vaseline. Ireto akora ireto dia samy manana singa enti-miady fahamainan’ny hoditra, mampalandina azy ary manome aina ny hoditra.

Tsotra ny fampiasana azy. Ho an’ny nofon’akondro izao, potserina ny nofon’akondro efa masaka tsara, afaka ampiana zavoka kely, io avy eo no ahosotra amin’ny faritra vakivaky ka avela hilona 10 minitra vao kobanina amin’ny rano matimaty. Toa izay ihany koa ny glyçerine sy ny eau de rose, izay ity farany no tsy kobanina fa entina matory.

Tsara averina isan’andro izany fomba izany raha te ahita vokany haingana. Mba tsy hampiverina izany kosa dia tsara hosorana « crème hydratante na akora manankarena vitamina E ny hoditra mba tsy hampakiana azy ka mahatonga ny vakivaky.

Laisser un commentaire