Arabie Saoudite : Hampihena ny famokarany solika ny firenena
Nivory tao Vienne ny mpikamban’ny 13 ny Opep (Organisation des pays exportateurs de pétrole) sy ny mpiara-dia aminy folo izay tarihin’i Russie ny alahady teo. Nilaza i Arabie Saoudite nandritra izany fa maniry ny hampihena ny fikorianan’ny famokarana « pétrole » izy ireo mba hampiakarana ny vidin’izany ao anatin’ny toe-karena ravan’ny krizy ao Ukraine.
Nanamafy ny prince Abdelaziz ben Salmane nandritra izany fa hahenan’izy ireo manodidina ny iray tapitrisa barika isan’andro ny famokarany manomboka ny volana jolay izao ary hiakatra tsikelikely izany. Raha tsiahivina dia mpikambana 23 no mandrafitra ny Opep+ izay misahana 60% ny famokarana « pétrole » eran’izao tontolo izao. Firenena 9 amin’ireo no efa nandray io fanampahan-kevitra hanena ny famokarany nanomboka ny volana may teo.
