ActualitésTatitra

Seychelles : Miverina misokatra ny masoivohon’i Etats-Unis ao an-toerana

Niverina nisokatra ny herinandro lasa teo ny masoivohon’i Etats-Unis ao Seychelles rehetra nikatona nanomboka ny taona 1996 izany. Ao amin’ny renivohitra Victoria no nametrahana izany ary tonga nanome voninahitra ny fanokafana izany ny filoham-pirenena tao an-toerana, Wavel Ramkalawan sy ny filoha lefitra, Ahmed Afif ary ireo mpiray dia tamin’izy ireo.

Nandritra ny fandraisam-pitenany kosa dia nilaza ny minisitry ny rahraham-bahiny tao Seychelles, Sylvestre Radegonde fa maro ny andrandraina manoloana io fisokafan’ny masoivoho io indray ary resy lahatra ny tenany fa hanamafy ny fiaraha-miasa sy ny finamanan’ny roa tonta izany. Isany teboka lehibe iarahan’izy ireo miasa koa ny ara-toekarena, fiovan’ny toetrandro, tontolo iainana, fiarovana an-dranomasina ary ny filaminana sy ny fiarovana.

Laisser un commentaire