Canada : Ankizy efatra no maty an-drano tao Québec
Olona maromaro no nandeha nanjona tao avaratry ny morontsorak’i Québec ny sabotsy teo. Manoloana ny fiakaran’ny rano nefa dia olona 11 no lasan’ny rano raha ny fanazavana. Ankizy ny efatra tamin’ireo izany hita faty teo amoron’ny renirano Saint-Laurent raha ny tatitry ny Sûreté du Québec.
Raha ny fanazavana dia ankohonana roa ireo nandeha nanjono tao an-toerana ireo. Raha tsiahivina dia « plongeurs » sy mmiaramila maromaro no nahetsika tamin’ny fikarohana ireo olona ireo. Enina no avotra soa aman-tsara raha lehilahy iray manodidina ny 30 taona hafa ankoatran’ireo ankizy efatra ihany koa no namoy ny ainy.
