Atsimo Atsinanana : Olona miisa 335 000 hisitraka fanampiana ara-tsosialy
Dépêche 26 mai, 14h, Olona miisa 335 000 any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana no hisitraka fanampiana ara-tsosialy. Ny avy ao amin’ny Firenena Mikambana no hamatsy vola izany tetik’asa izany izay mitentina 8,5 tapitrisa USD. Hisitraka izany avokoa ny faritra, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana izay nitondra takaitra betsaka tamin’ny fandalovan’ireo rivo-doza nahery vaika ny taona 2022 sy 2023 teo. Miisa 115 000 amin’ireo non ankizy latsaky ny 5 taona izay hianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika amin’izao fotoana izao. Izany indrindra no antony tsy maintsy hamahana haingana be ity olana ity mba tsy hanariana ain’olona hafa indray.
