ActualitésTsidika

Anjeva: Miditra amin’ny ampahefa-dalana ny lalao « tournoi fokontany »

Ny alahady 28 may 2023 izao no hanatanterahana ny lalao ampahefa-dalana amin’ny tournoi fokontany ao amin’ny kaominina Anjeva gara. Tahaka ny mahazatra dia ao amin’ny kianja maitso Salazana no hanatanterahana izany, raha ny voalaza.

« Hiady dia haidy ity lalao ity, izay hifandonan’ny ekipa Interpool sy ny JSA. Efa vonona avoka ny mpikarakara amin’ny fandaminana rehetra fa ireo mpanohana sisa no handrasana ho tonga maro amin’io alahady io » hoy ireo mpikarakara ny lalao.

 » Ny lalao eto an-tanana dia efa mafinaritra sy mampiala voly hatrany fa ny angatahana mba hisorohana ireo olana matetika miseho dia ny eo amin’ny fitsarana ny lalao. Satria samy te ho tafakatra amin’ny dingana manaraka daholo ny ekipa dia tsy tokony hitanila ny mpitsara » hoy i Fidy, mpankafy baolina kitra.

Marihina moa fa ny « association des jeunes Mihary » ao amin’ny kaominina no mikarakaraka ity lalao ity. Ity fikambanana ity izay miezaka manome sehatra ny tanora, indrindra ny fanatanjahantena sy ny fiarovana ny tontolo iainana.

Manitra R.

Laisser un commentaire