Literatiora: Nahazo ny mari-boninahitra “chevalier de l’ordre national » i Michèle Rakotoson
Dépêche 25 mai, 14h, Taorian’ny fahazoany ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana POLA 2023 dia mbola mitombo ihany ny amboara azony. Nampiakarina teo amin’ny toeran’ireo « chevalier de l’ordre national » ny tenany omaly vokatr’izany. Ho fisaorana sy fanohanana ity mpanoratra manam-pahaizana ity no anton’izany. Ilay boky « Ambatomanga, le silence et la douleur » no nahazoany izany loka izany. Marihina fa hisy ihany koa ny hetsika iray volana natokana ho azy manokana. Hampahafantarana azy sy ny bokiny no anton’izany hetsika izany.
