ActualitésTsidika

Fizahan-tany : Anisan’ny paikady hanatrarana mpizahatany 1 tapitrisa ny ITM

Mametraka paik’ady maro ny Ministeran’ny Fizahan-tany hahafahana manatratra ilay tanjona izay napetrak’izy ireo di any hanatrarana mpizahatany miisa 1 tapitrisa amin’ity taona ity. Ankoatra ny fampitomboana ny kaompaniam-pitanterana ana habakabaka sy ny toerana fandraisam-bahiny, dia tafiditra ao anatin’ny paik’ady ihany koa ity hetsika ITM ity.

« Mpandraharaha matihanina eo amin’ny sehatry ny fizahan-tany avy any ivelany miisa 100 no kendrena ho tonga eto Madagasikara amin’ity taona ity, ao anatin’ny Salon international du tourisme, raha 70 izy ireo tamin’ny taona lasa. Zaav-dehibe amin’ny fanatrarana ny tanjona ireo satria izy ireo no hivarotra ny “destination Madagascar” any amin’ny tany misy azy ireoa any », hoy ny Minisitra ny Fizahan-tany, Randriamandrato Joël.

Manantena vokatra tsara amin’ity taona ity avy amin’ny fahatongavan’ireo matihanina ireo ny Ministera. Ankoatra ireo ezaka lehibe izay efa natao anefa dia mbola misy ihany koa ireo lesoka mila harenina.

« Anisan’ny mahatonga ny fahavitsian’ny mpizahatany aty Madagasikara ny tsy fandriam-pahalemana sy ny lalana ratsy. Raha tsara be ve ny toerana handraisana vahiny kanefa ny lalana makany an-toerana mbola sarotra sady ratsy dia tsy hiasa very maina fotsiny izany », hoy ity mpitantana “agence de tourisme” iray ity.

Efa anisan’ny paikady hapetraka ihany koa anefa ny fandaminana ny fandriam-pahalemana sy ny fahasalamana ary ny lalana. Tokony ho hita mivaingana anefa izany zavatra rehetra izany hahafahana manatratra io tanjona io. Ankoatra ireo matihanina avy any ivelany dia handrasana ihany koa ny fandraisana anjaran’ny avy eto an-toerana. Miisa 190 ny trano heva voaomana ho amin’ity hetsika ity izay efa miditra amin’ny andiany faha-9 sahady amin’izao fotoana izao.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire