La Réunion : Nahitana « cachalot pygmée » tao amin’ny faritra an-dranomasin’ny nosy
Voalohany tao anatin’ny 22 taona no nahita « cachalot pygmée » (Kogia breviceps) tao amin’ny faritra an-dranomasin’i La Réunion nandritra ny fizahana (prospection). Ny tarika Globice Réunion n nahita hazan-dranomasina ireo manodidina an’i Saint-Pierre.
« Cachalot pygmée » efa maty iray no tokana hita tao amin’ny nosy hatramin’ny nahitana io tao Saint-Pierre io. Hampirantiana ao amin’ny Museum d’Histoire Naturelle ao Saint-Denis izany. Marihana fa malaza tsy tia sehoseho sy sarotra hatonina ny « cachalot pygmée » ary vitsy ny mombamomba azy fantatra hatreto.
Fantatra kosa fa mety mahatratra 3,5m ny halavany ary 400 kg ny lanjany. Ny vombony eo lamosiny sy ny vavany kosa dia mety hampifangaro azy amin’ny antsantsa.
