Dépêches

Faritra SAVA : Nahazo EPP manara-penitra ny Fokontany Doanihely

Dépêche 23 mai, 11h, Toy ireo toerana maro nanerana ny Nosy dia nisitraka efitrano fampianarana ihany koa ny any ambany vohitra any. Toy ity tao Doanihely ao amin’ny Koaminina Ampanefana ao SAVA ity. EPP ahitana mpianatra miisa 250 sy mpampianatra miisa 6 ity nisitraka foto-drafitr’asa ity. Trano manana efitra miisa 2 sy dabilio ary boky isan-karazany manaraka ny fenitry ny fanabeazana no azon’izy ireo tamin’izany. Marihina fa efa ny taona 1968 no nanorenana ny EPP tao Doanihely ka tamin’ity taona 2023 ity indray vao nisy fanarenana vaovao. Hirariana nyb hanatsara ny kalitaom-pampianarana any an-toerana ny fisian’ity fotodrafitr’asa ity.

Laisser un commentaire