ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Hisy ny hetsika fitiliana diabeta maimaim-poana

Mikarakara hetsika fitiliana Diabeta maimaim-poana ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely, amin’izao fotoana izao. Ny sabotsy 10 Jona ho avy izao no hanatanterahana izany hetsika ara-pahasalamana izany, araka ny voalaza.

« Fikambanana sy mpisehatra amin’ny fahasalamana maro no miara manatontosa ny kaominina ity hetsika fitiliana ny diabeta ity. Hanasana ny rehetra ho avy mavitrika satria antoka ho an’ny fahasalamana ny fanaovana fitiliana » hoy ireo avy amin’ny kaominina.

« Ny olona rehetra dia samy misy diabeta avokoa. Saingy samy manana ny fisehony sy miankina amin’ny fahabetsahan’ny tahan’ny siramamy ao anatin’ny vatana izany. Tsara ny mailo satria na tanora na olon-dehibe dia samy mety ho voa na hisy diabeta avokoa » hoy i Mahandry, mpitsabo.

Marihina moa fa misy ny fisoratana anarana mialoha tsy maintsy atao eny amin’ireo biraom-pokontany, manerana ny kaominina Ambohimangakely ho an’ireo liana amin’ny hetsika. Ao amin’ny CEG Ambohimangakely ihany moa no hanatanterahana izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire