Anjeva: Tratra ilay reny nanary ny zanany tanaty lava-piringa
Tranga nanaitra ny mponina tao amin’ny kaominina Anjeva gara, ny fahitana zazakely iray, tsy nisy aina intsony tao anaty lava-piringa ny herinandro lasa teo. Nirotsaka an-tsehatra nanao ny fanadihadiana avy hatrany ireo mpitandro filaminana taorian’ny nisehoan’ity tranga ity, araka ny voalaza.
« Noho ny angom-baovao sy ny ezaka nataon’ny zandary izay miasa ety amin’ny tobim-paritra Anjeva, dia fantatra fa ny renin’ilay zaza ihany no nahavanona ny loza. Vela-pandrika napetraka no nafahana nisambotra azy ary niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny fanadihadiana » hoy ireo avy amin’ny mpitandro filaminana
« Tena efa tsy mendrika ny maha olombelona intsony ny tranga tahaka izao. Manetry ny maha olona. Mendrika sazy enjana satria tsy manaja ny zon’olombelona » hoy i Lalao, mponina ao Anjeva.
Taorian’ny fitsarana ity renim-pianakaviana ity moa dia nidoboka am-ponja eny Antanimora ity farany. Etsy ankilany, manentana hatrany ny avy eo amin’ny zandarimariam-pirenena ny fampandrenesana sy fampilazana vaovao raha misy tanga mampiahiahy eny amin’ny fiaraha-monina eny.
Manitra R.
