Union Européenne : Hatao ny 6 ka hatramin’ny 9 jona 2024 ny fifidianana mpikambana vaovao ao amin’ny antenimiera
Nanao fanambarana ny filohan’ny filankevitry ny Union Européenne fa hotontosaina ny 6 ka hatramin’ny 9 jona 2024 ny solombavam-bahoaka vaovao handrafitra ny antenimiera. Raha ny fanazavana dia io no daty io notapahan’ireo masoivoho avy amin’ny firenena 27 ao amin’ny vondrona saingy tsy maintsy mbola ankatoavin’ny filankevitry ny minisitra isaky ny firenena androany alatsinainy izany.
Raha tsiahivina dia tontosaina isaky ny dimy taona amin’ny alalan’ny « suffrage universel » io fifidianana io. Arahana fanavaozana ny lehiben’ny andrim-panjakana, vaomiera ary ny filankevitra izany. Hatreto kosa dia ny havanana (PPE, Parti populaire européen) no vondrona matanjaka ao amin’ny antenimiera. Misongona lavitra ny S&D (Socialistes et démocrates) sy ny Renew Europe (afovoany) izy.
