ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Misy ny tetikasa fananganana tranon’ny mpiambina ao amin’ny EPP Andrononobe

Nisy ny antso fanentanana nataon’ny avy ao amin’ny fiadidiana ny kaomina Ankadikely Ilafy, ny herinandro lasa teo mahakasika ny tetik’asa fananganana ny trano ho an’ny mpiambina ao amin’ny EPP Andrononobe.

« Fanentanana natao indrindra ho an’ireo mahalala tanana sy ny mainty molaly tao amin’ny sekoly izy ity. Ao anatin’izany ihany koa no sady fanasoavana no fanatsarana ny sekoly ka hanentanana ny rehetra mba samy handray anjara » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny sekoly.

« Tena ilaina dia ilaina ny fametrahana ny mpiambina eto amin’ny sekoly. Hiaraha-mahalala ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana izao ka tsara ary mendrika ny sekoly raha hiara-hanatanteraka izany tetikasa izany » hoy i Julie, mpampianatra.

Tsy tokony hisaraka amin’ny  toeram-panabeazana ny fisiana tranona mpiambina. Mbola manano sarotra ho an’ny ankabeazan’ny sekoly anefa izany, indrindra fa ireo eny amin’ny sekoly ambanivohitra noho ny fahasahiranan’ny sekoly. Ilaina araka izany ny fiaraha-mientana mba hanasoavana ny hafa.

Manitra R.

Laisser un commentaire