Dépêches

Fandriam-pahalemana: Mpanatitra entan’ny Feel’in Box voaendaka amin’ny andro atoandro

Dépêche 17 mai, 15h, Tsy misy fotoany intsony ny mpanendaka sy ny mpangaro-paosy amin’izao fotoana izao fa na andro atoandro aza dia ahitana azy ireny hatrany. Mpanatitra entana (livreur) an’ny toeram-pivarotana iray eto Antananarivo no voaendaka teo Manjakaray tamin’ny 1ora sy sasany atoandro teo. Lasany tamin’izany avokoa ireo entana saika haterina any amin’ireo mpanjifa. Misy tamin’ireo entana vaovao vao nafarana avy any ivelany ihany koa no lasan’izy ireo niaraka tamin’izany. Marihina fa mpivarotra karazana lamaody sy ny manodidina izany rehetra izany toy ny peratra sy ny firavaka ity toeram-pivarotana ity. Tranga toy izao no hiantsoana ny mpitandro filaminana hanamafy ny asany satria dia andro atoandro be olona no nitrangan’ny loza. Nihena kokoa ny loza mety nitranga raha niasa tamin’ny fotoana tokony nilana azy ny mpitandro filaminana. 

Laisser un commentaire