Maldives : Voatokana ho an’ny mpizahatany ny zava-pisotro mahamamo
Ratsy ny andro ny Maldives nandritra ny andro maromaro izao. Nisy andro ratsy niforona tao an-toerana izay niteraka ny fanafoanana ny fitsangantsanganana an-tsambo iray (croisière) nokasaina natao. Manoloana izany dia namidin’ireo mpiasa tamin’ny mponina ny zava-pisotro mahamamo tao amin’ny sambo.
Tonga tany am-pototsofin’ny manam-pahefana ny raharaha ka voasazy nandoa onitra sy nanefa sazy an-tranomaizina ireo namarotra izany. Marihana fa firenena islamika i Maldives, voararan’ny lalan’izy ireo tanteraka ny famarotana sy fisotroana zava-pisotro mahamamo. Marihana fa tsy miatra amin’ny mpizahatany io Charia io, manan-jo hisotro izany ireo saingy anaty toerana mihidy toy ny hotely na sambo ihany. Tsy maazo mitondra zava-pisotra mahamamo anaty entany kosa izy ireo rehefa ho ao amin’ny nosy ary voasazy mandoa lamandy 500 Euros izany tratra manao izany.
Marihana ihany koa fa lafo ny zava-pisotra mahamamo ao Maldives izay toerana misarika olo-malaza sy olona manan-katao maro.
