Dépêches

Foto-drafitr’asa : Tonga ireo fitaovana lehibe hanamboarana ny lalambe migodana Antananarivo – Toamasina

Dépêche 16 mai, 14h, Efa tonga tao Toamasina ary efa nihazo ny Talata Volonondry ireo fitaovana lehibe voalohany hamitana ny lalambe migodana izay mampitohy an’ny Antananarivo sy Toamasina. Marihina moa fa ny orinasa Samcret avy any Egypte no nahazo ity tetik’asa lehibe ity. Araka izany dia efa mandroso ny asa saingy ny fahavitany no ahiana. Maro ireo olana mety ho sedrain’ity tetik’asa ity raha tsy voaarina hatraty amin’ny lohany aty. Goavana indrindra amin’izany ny mety hialan’ny Filoham-pirenena ankehitriny eo amin’ny fitondrana. Sao sanatria hanimba zavatra hafa ka tokony efa hiomanana. 

Laisser un commentaire