Dépêches

Rugby : Tonga hanatevin-daharana ny « ladies makis » i Jeanne Marie Louise Sorin

Dépêche 16 mai, 13h, Andro vitsivitsy mialohan’ny fanombohana ny CAN 2023 dia tonga hanatevin-daharana ny Ladies Makis i Jeanne Marie Louise Sorin. Mpilalao Malagasy milalao ao amin’ny klioban’ny Racing 92 any France ny tenany. Hitondra fivoarana sy fanampiana betsaka ho an’ireto mpilalao baolina lavalava vehivavy ireto ny tenany rah any nambaran’ny mpanazatra, Ralay. Efa eo am-panomanana miaraka ny CAN izay hanomboka ny 20 mey izao ireo mpilalao amin’izao fotoana izao. Ny Kenya avy hatrany no hifanandrina amin’ny Madagasikara amin’ny lalao voalohany izay hatao eo amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny 20 mey izao.

Laisser un commentaire