Ambohimambola: Mampiasa fitaovan-tserasera isan-karazany ny Service Raoka fako
Nitondra fanazavana mahakasika ireo fitaovan-tserasera fampiasan’izy ireo ny avy ao amin’ny service Raoka Fako, ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, ny faran’ny herinandro teo. Misy ireo olona no niahiahy tamin’ny fahazoana someso mahakasika ity servisy ity, ka nahatonga izany.
« Betsaka ny mpanjifa no tsy mampiasa ny tambajotran-tserasera facebook. Ny servisy dia mampiasa fitaovan-tserasera maro mba ho fanakaikaizana ny mpanjifa toa ny peta-drindrina, ny flyers, ny facebook, whatsapp, ny mailaka ary ny texto » hoy ireo tomponandraikitra ao an-toerana.
« Ho fanatsarana ny fizarana vaovao amin’ny mpanjifa ihany koa dia misy ny fandefasana hafatra amin’ny laharana finday. Ary manana laharan-taribia miandray amin’ireo rehetra mila fanazavana na fihaonana mivantana amin’ny tomponandraikitra » hoy hatrany ny fanazavana.
Anisan’ny rafitra manaraka ny fandrosoan’ny teknolojia ny servisy Raoka fako. Na eo amin’ny asa sahanin’izy ireo amin’ny fitantana fako izany na eo amin’ny fifandraisana amin’ny mpanjifa, dia misongadina ny teknolojia.
Manitra R.
