Ankadikely Ilafy : Misy mangalatra ireo vato hanamboarana ny lalana ao Antanandrano
Hisy ny fanamboarana ny lalana izay mampitaraina ny mponina efa fotoana maro izao ao amin’ny fokontany Anatanandrano, kaominina Ankadikely Ilafy. Manomboka misy mangalatra anefa amin’izao fotoana ireo vato hanamboarana ny lalana, araka ny voalaza.
« Efa tonga eny Antanandrano tsikelikely ny vato sy ny fasika izay hanamboarana ny lalana simba eny an-toerana. Misy sahady anefa ireo olona izay mangalatra sy maka izany fitaovana izany » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Ny fiadidin’ny kaominina Ankadikely Ilafy dia mampitandrina ary tsy handefitra amin’ny olona minia manao izany. Koa entanina hatrany ny rehetra eny ifotony mba ho sarotiny amin’ny fananana iombonana » hoy hatrany ny fanazavana.
Anisan’ny toe-tsaina tsy mampandroso ny fiaraha-monina ny fitiavan-kely. Tsy mahavelona ny fangalarana ny fananana iombonana ary tsy mampandroso ny fiaraha-monina. Ilaina araka izany ny fanabeazana sy ny fanentanana ny mponina hialana amin’ny tranga tahaka izany, indrindra tokony hametraka fepetra ireo tomponandraikitra ho famaizana ny tia kely tahaka izao.
Manitra R.
